<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.L. Hassler</author>
<lyrics>[V1]
 Ry voasatro-tsilo,
 Ry voakapoka !
 Indrisy be ny loza
 Manafotra Anao !
 Nitsaohan'ny anjely
 Fahiny Hianao.
 Fa henatra sy latsa
 Anjaranao izao.

[V2]
 Atolotro, ry Jeso,
 Ny foko ho Anao,
 Hiaraka hitondra
 Ny fahorianao.
 Raha henatra sy loza
 No ho anjarako,
 Dia Hianao Mpamonjy,
 No ifaliako.

[V3]
 Tsarovy aho, Tompo,
 Raha tratry ny manjo !
 Tsy mendrika aho, nefa
 Mba amindraonao fo !
 Ny ratranao no misy
 Fanasitranana.
 Ny ranao ahitana
 Ny fiadanana.</lyrics>
<title>Ry voasatro-tsilo, ry voakapoka FFPM92</title>
<hymn_number>92</hymn_number>
</song>